Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 09 Novambra 2013


Efa ao anatin’ny fanomanana ny fanaovana ilay vaksiny ho fiarovana ny zazavavy Malagasy eo anelanelan’ny 9 hatramin’ny 13 taona, amin’ny fiantraikan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza izay lasa mandripaka vehivavy maro maneran-tany, ny ministeran’ny fahasalamana miara-miasa amin’ny vondrona GAVI-Alliance ary ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS). Ny 18 novambra izao ny voalohany, iray volana manaraka ny 18 desambra ny faharoa ary 05 volana, izany hoe ny volana mey 2014 ny fahatelo.

Natomboka tamin’ny hiram-pirenena ny fanatanterahana ny fitaterana ny voka-pifidianana vonjimaika teny Ivandry omaly. Ny nahatsikaiky sy nampalahelo dia misy ireo kandidà nirotsaka hofidiana no zara raha nihetsika ny molony. Tsy hainy angamba ny hiram-pirenena malagasy. Nanomboka tamin’ny 4ora10mn tolakandro ary nifarana tamin’ny 5ora 20mn ny lanonana.

Ny kandida laharana 33 Jean Louis Robinson no voalohany izay nahazo isam-bato 955 534 ary nahazo ny salan’isa 21,10% vonjimaika. Andriamatoa Rakoto Jean Pierre kosa no laharana faha-33 farany. Vato 9 965 no azony tamin’ny vato manan-kery 4 428 389 manerana ny nosy ka 0,22% ny salanisany. Marihina fa izy koa no zokiolona indrindra tamin’ireo kandida.

Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT