Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 07 Novambra 2013


Mila jerena manokana ny asa fanangonam-pako eto Antananarivo Renivohitra. Tsy maharaka ny fanangonana ireo fako misavovona mahatratra 1.300 taonina isan’andro mantsy ireo mpiasa aman-jatony sy ireo daba miisa 450 ampiasain’ny SAMVA miaraka amin’ireo fiara lehibe mpanangona fako miisa 19.

Hanomboka rahampitso zoma 08 novambra any Colmar Frantsa ny andininy faha-29 amin’ny «Salon International du Tourisme et des Voyages». Voaasa manokana amin’izany i Madagasikara. Tanjon’ireo mpandray anjara hisolotena antsika amin’ity hetsika ity ny hampisongadina ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana.

Ho fahatsiarovana ny nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana ny 06 novambra 1995 dia nikarakara hetsika «Iavo i Madagasikara» tao amin’ny Lapan’Anatirova omaly ny fikambanana Vohimasina.

Mahatratra 7.706 no isan’ireo kandida hirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka manerana ny Nosy. 2.827 amin’izy ireo ihany no tena hiady ireo toerana 151 eny amin’ny Lapan’ny Antenimiera Tsimbazaza ka ny 448 no vehivavy.

May tsy fidiny ny trano iray teny Ambatomainty omaly maraina vokatry ny fifampikasohan’ny tariby mitondra herinaratry ny Jirama. Niditra tamin’ny tafon’ilay trano ny pitik’afo ka nirehitra ary nitarika ny fahamaizana tanteraka. Tsy nisy olona tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.

Nodimandry ny talata 05 novambra teo amin’ny faha-60 taonany i Razafimahatratra Jean Paul, Mpanao gazetin’ny RNM. Ny taona 1982 izy no niditra niasa tao ary nanana ny fahaiza-manaony manokana tamin’ny fampitam-baovao. Halevina rahampitso zoma any Ambohitsoabe Distrikan’i Manjakadriana ny nofo mangatsiakany.

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT