Hankalaza ny faha-55 taona nitsingerinany ny polisim-pirenana ao amin’ny fari-piadidiam-paritany Mahajanga.
"Polisim-pirenena manaja ny maha olombelona, tanjon'ny fampandrosoana", no lohahevitra. Nivoaka ny alatsinainy 4 jolay teo ny fandaharam-potoana momba izany, ka ny 23 hatramin'ny 30 septambra no ivon'ny fankalazana ho an’i Mahajanga.
TAOM-BAOVAO MALAGASY
Hankalazaina eny Anosimanjaka anio ny Taom-bavao Malagasy. Ny fikambanana zana-dRanavalona no tompomarika amin’ny fikarakarana azy ity.
MAROANTSETRA
Very ny marainan’ny andron’ny fanadinana CEPE 5 jolay 2016 ny lakolosy fampandrenesana ny mpianatra ao amin’ny CEG Ambatomasina. Nisy nangalatra izy io. Endrika fanakorontanana ny fanadinana moa no nandraisan’ireo mponina azy ity saingy na dia teo aza izany dia tontosa soa aman-tsara ihany ny fanadinana tao an-toerana.
ANKADIKELY ILAFY
Nodinihina nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly ny hanokafana ny “Lycée Moderne d’Ankadikely”, fampianarana ankapobeny, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano.
RAMADANY
Hifarana anio ny ramadany, na iray volan’ny fifehezana sy fifadian-kanina. Ho an’ny eto Antananarivo dia hisy hetsika manokana etsy 67ha.
TEATRA MALAGASY
Hoseharin’ny STMLAJJR na ny Sakaizan'ny Teatra Malagasy ao amin'ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo fanindroany etsy amin’ny IKM Antsahavola anio alarobia tolakandro ny tantara "Ilay Fitia Tsy Mipaka " na ny Irène Ralimà.
TOMPONDAKA REJIONALY
Lalao 2 amin’ny fifaninanana tompondaka rejionaly amin’ny baolina kitra no hotanterahina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina anio tolakandro. Analamanga hifanehatra amin’i Bongolava ary Itasy hifandona amin’i Vakinankaratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.