Natolotra omaly alarobia 29 jona tao amin’ny biraon’ny Boriborintany faha-2 Antananarivo Renivohitra ireo sekretera sy mpitambolan’ny
Fokontany vaovao manerana ny Fokontany 22 izay notendren’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Fandaminana sy fifandimbiasan-toerana no voalaza fa antony mba hampandrosoana bebe kokoa ny tanàna.
AMBANIDIA
Na tsy andraikitry ny solombavambahoaka aza ny manao lalana dia nitondra anjara biriky amin’ny fametahana marquage au sol ny arabe eo Ambanidia ny depiote voafidy tao Antananarivo II Randrianarisoa Stanislas mba hisorohana ny fitohanan’ny fiara sy ny loza.
AMPANDRANA
Notokanana omaly ny birao vaovaon'ny Foibe FJKM eo Ampandrana. Nitarika ny lanonana ny Filohan'ny FJKM, ny Pasitera Lala Rasendrahasina notronin’ny filoha lefitra Pasitera Zarazaka, ary ny filoha mpanampy Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-mitantana ny Foibe FJKM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.