31 no namoy ny ainy ka zaza ny 10 amin’ireo, 17 hafa naratra mafy. Izay no tarehimarika navoakan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena mikasika ny loza
vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo fiara mpitatitra olona tao amin’ny sampanan’i Berenty, ny misandratrandron’ny talata 21 jona teo. Notaterina tao Ankazoabo ny razana, ary efa tonga maka ny azy ny fianakaviana isanisany avy, nanomboka omaly. Nisy fiaran’ny miaramila voatafika koa talohan’io, tamin’io toerana io ihany, naharatrana miaramila roa.
TANORA MASINA ITAOSY
Mankalaza ny faha-25 taona niorenany ny Antoko mpihira Tanora Masina Itaosy amin’ity taona ity. Ho fankalazana izany dia manomana antsa an-kira lehibe izy ireo amin’ny alahady 3 jolay 2016 ho avy izao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina izay hisy vidim-pidirana.
MAHAJANGA
Nizara harendrina ho an'ireo ankizy isam-pokontany ny fikambanana Assanaty Famo Gidraka. Harendrina 600 mahery no nozaraina omaly. Hetsika fanaon’ny fikambanana isan-taona izy ity, entina hampifaliana ireo zaza Malagasy amin'izao fahatongavany ny fetim-pirenena izao.
AVARADRANO
Vita latsa-tsimenitra ny tetezan’Ambodirano ary notokanana omaly. Mampifandray Kaominina efatra Manandriana, Vilihazo, Fieferana ary Sabotsy Namehana, ity fotodrafitrasa ity. Simban’ny rivodoza tamin’ny 2015 izy ity. Naharitra efa-bolana ny asa. Mahazaka 20 taonina ny tetezana.
BEKILY
Na dia efa nahazo fitaovana vaovao aza ny Jirama any Bekily dia mbola mitohy ny delestazy any an-toerana. Efa nampitroatra ny fokonolona tany an-toerana anefa izy io andro maromaro izay. Nanamarika koa ny mponina any an-toerana fa tsy mba hitany nivory tao ny depioten’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.