Actualités

Tapaka ny RN2 Ahiana ny famatsiana solika sy arina fandrehitra


  • Zoma 02 Martsa 2012

Noho ny fihotsahan’ny tany amin’ny lalam-pirenena faha-2 mankany Toamasina sy fiakaran’ny rano dia mihitsoka an-dalana avokoa ny fiara hatry ny omaly.

 Ahiana araka izany ny famatsiana solika eto an-drenivohitra. Ho an’ireo olona tsy maintsy mandeha dia voatery mandeha dia an-kilaometatra maro izy ireo vao tonga amin’izay alehany. Saika avy amin’iny lalam-pirenena iny koa no mamatsy ny arina fandrehitra na saribao. Vokatr’izay fahatapahan’ny lalana izay dia tsy tonga aty an-drenivohitra io vokatra io ka mijaly ny mpanjifa. Raha mahita aza dia vidiana 18.000 na 20.000 ariary ny iray gony nefa sady kely no mando sarotra arehitra. Misy miady mihitsy moa ireo samy mpividy raha misy mahazo amin’ny gony ny sasany. Amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra mihitsy no ahitana io tranga io. Ny solika fandrehitra koa moa amin’izao tsy dia misy loatra eny amin’ny tobin-tsolika. Ny kitay vitsy no mampiasa azy na mando. Mitombo ny krizy.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT