Taona 2014

> Fantatra avokoa ireo andro tsy iasana nefa andraisan-karama


  • Alarobia 22 Janoary 2014


Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly ny didim-panjakana mamaritra ireo andro tsy iasana nefa andraisana karama amin’ity taona 2014 ity, araka izao manaraka izao : Alarobia 1 janoary : Taom-baovao ; Sabotsy 8 martsa : Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ; Sabotsy 29 martsa : Andro fahatsiarovana ny tolona 1947 ; Alahady 20 aprily : Paska ; Alatsinainy 21 aprily : Alatsinain’ny Paska ; Alakamisy 1 mey : Fetin’ny asa ; Alakamisy 29 mey : Andro fiakarana ; Alahady 08 jona : Pentekosta ; Alatsinainy 09 jona : Alatsinain’ny Pentekosta ; Alakamisy 26 jona : Fetin’ny fahaleovantena ; Zoma 15 aogositra         : Andro niakaran’i Masina Maria any an-danitra ; Sabotsy 1 novambra : Fetin’ny olomasina ; Talata 14 oktobra : Andro nanambarana ny Repoblika ; Alakamisy 11 desambra : Andro nanambarana ny Repoblika fahefatra ; Alakamisy 25 desambra : Noely. Nofaritana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama koa ny andro hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna, izay hofaritana araka ny didim-panjakana raisina amin’ny filankevitry ny Governemanta. Toy izany koa ny «Aïd-El-Kebir» sy ny «Aïd-El-Fitr» fiandohana sy fiafaran’ny ramadany, saingy natokana ho an’ireo manaraka ny finoana Silamo ihany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT