Taom-pianarana 2013-3014

> Haharitra 15 herinandro ny telovolana faharoa


  • Talata 07 Janoary 2014

Niverina an-tsekoly nanomboka omaly alatsinainy 06 janoary 2014 ny ankamaroan’ireo mpianatra malagasy manerana ny Nosy hiatrika ny telovolana faharoa amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity.

Vanim-potoana izay ambara fa tena herin’ny taom-pianarana iray satria eo no miezaka mamita ny fandaharam-potoana ireo mpanabe mba tsy hirotoroto loatra mandritra ny telovolana fahatelo sy mba hanana fotoana misimisy hamerenana ny tany aloha rehetra. Raha ny fandaharam-potoana nofaritan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tany am-piandohana dia ho lavalava ihany ity telovolana faharoa ity satria dia haharitra 15 herinandro ny faharetany. Tsy hifarana mantsy ny fampianarana ao an-tsekoly raha tsy ny zoma 11 aprily 2014. Toy ny mahazatra ao anatin’ny taom-pianarana iray isan-taona dia hisongadina ihany koa ireo andro natokana ho an’ny sekoly. Amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity dia ao anatin’ny telo andro no ankalazana izany izay hanomboka ny alarobia 12, hitohy ny alakamisy 13 ary hifarana ny zoma 14 febroary. Mialoha ny hiatrehana ny telovolana fahatelo izay hanomboka ny alatsinainy 28 aprily ary hifarana ny zoma 18 jolay 2014 dia manana roa herinandro ireo mpianatra hiala sasatra mandritra ny fetin’ny Paska amin’ny volana aprily. Ankoatra ireo andro tsy fiasana efa fantatra mialoha moa dia ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta ihany no afaka manapaka ireo andro hafa tsy iasana nefa andraisan-karama izay tena nitobaka be tokoa nandritra ny fitondrana tetezamita. Ny mpitondra mpanatanteraka lanim-bahoaka vaovao moa no manana fahefana handidy sy hanapaka ny momba izany manomboka eto. Mitontona andro alakamisy rahateo ny ankamaroan’ireo andro tsy fiasana amin’ity taona 2014 ity nefa mila miasa mafy ihany koa ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena mba hanarenana haingana ny tarazon’ny krizy.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT