Mitady ho very ny fahendrena Malagasy noho ny fihazakazaky ny fandrosoana. Betsaka anefa ireo zavatra mbola azo tazonina avy aminy hahafahana miaina sy mampandroso ny fiarahamonina,
antony nikarakaran’ny Fikambanana Terak’Imerimanjaka izay nipoiran’ny vazimba Rafohy sy Rangita tao amin’ny vohitr’Imerimanjaka nikarakara ny dinidinika ambany tafon-trano tetsy amin’ny IKM Antsahavola ny sabotsy teo. Anisan’ny nampahafantarina ny taranaka tamin’izany ny tantaran’ny vazimba toy ny fiaviany, ny fiandohany, ny fivoarany ary ny fiparitahany teto amintsika sy ny dindo navelany miampy ny lova napetrany izay mbola azo hiainana sy hivelarana tsara mandraka ankehitriny. Tsy karazan’olona ny vazimba, hoy hatrany Rabarijaona Bernardin mpampianatra sy mpikaroka izay maitre de conférence saingy nifandray tamin’ny Malagasy hatrany ary betsaka ny lovantsaina napetrany toy ny fahendrena, ny fiarahamonina anaty vondrona, ny fihavanana izay mbola azo tazonina sy hiainana tsara hatramin’izao. Tanjon’ity dinika ity ny hitazonana hatrany izany fahendrena Malagasy izany, indrindra fa ho an’ny taranaka. Eo ihany koa ny hanitsiana ny lesoka mba hisian’ny tena fampandrosoana marina eto amin’ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.