Taniko Madagasikara

> Mampitandrina ny vahoaka amin’ireo mpijapy


  • Talata 10 Desambra 2013

Ny ankamaroan’ireo kandida tsy miankina dia mitonona ho mpanohana an’ny kandida Dr Robinson Jean Louis avokoa amin’izao fotoana izao.

Eo indrindra no mahatonga an-dry zareo ao amin’ny Taniko Madagasikara hampitandrina ny vahoaka mba tsy ho diso safidy ka tsy ho olon’ny tolona na koa olona hitovy firehana politika amin’io kandida io no hofidiana solombavambahoaka. Manamarika ihany koa Ratovomanana Anmora izay nitarika ny fihaonan’ny Taniko Madagasikara tamin’ny mpanao gazety fa diso variana amin’ny fifidianana na ny marina amin’ny politika ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ka manjary adino ny andavanandron’ny vahoaka tahaka ny fanangonana fako sy ny fitandroana ny filaminana. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay voakasik’izany izy ireo manoloana io tranga io mba samy hamita ny andraikiny satria izao fiparitahan’ny loto izao no mety miteraka areti-mandoza ao anatin’ny fahavaratra. Manoloana ny siosion-dresaka izay milaza fa tsy ao anatin’ny Movansa Ravalomanana ny Taniko Madagasikara indray dia nambaran-dRakotondrainibe Jean Michel izay kandida laharana faha-28 an’ny antoko ao amin’ny Boriborintany faha-6 fa ireo mandrafitra ny Taniko Madagasikara aza no ireo tazana teny an-kianja hatramin’ny  2009 niady ho amin’ny fodian’i Dada Ravalomanana.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT