Actualités

Tana Hatahorana sahady ny orana


  • Alarobia 04 Janoary 2012

Trano efatra no voatery narodana tetsy Isotry omaly satria efa antitra loatra ka hatahorana hihotsaka ho azy.

 Ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna no nandray an-tanana ny fandrodanana ireo trano ireo. Efa mandeha ihany koa amin’izao fotoana ny fanapahana hazo izay ahiana hadaboky ny rivotra ka handratra olona na koa hanapa-dalana. Mbola omaly ihany koa no nahenoana avy amin’ny loharanom-baovao mitovy fa nisy tokantrano am-polony dibo-drano tanteraka teny Ankadikely-Ilafy. Voatery nesorina teo an-toerana ny mponina tao satria tsy azo honenana intsony ilay toerana noho ny rano niakatra. Tsy izay ihany anefa fa ny eny amin’ny ambany tanàna ihany koa dia efa hatahorana ny hiharan’izany tsy ho ela. Hitohy mantsy ity oram-be ity eto an-drenivohitra, araka ny filazan’ny mpilaza ny toetr’andro. Misy koa ny orana artifisialy no mitontona amin’ny fiavian’ny rivo-doza sy ny fahavaratra, hany ka ho mafimafy ny rotsak’orana ato ho ato. Ny lalan-drano isan-karazany anefa efa antitra sy feno loto ka tsentsina. Mazava ho azy raha mainka koa mivoaka eny an-dalana ny rano ka miakatra etsy sy eroa.
Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT