Actualités

Tambin-karaman’ny Seces Nampidirina anaty vata-karama avokoa


  • Talata 24 Janoary 2012

Antony ampikatsoan’ny mpampianatra mpikaroka ny asa fampianarana ny tsy fahazoan’izy ireo ny ora ambony ampanga tamin’ny taona 2011 sy ny tsy fandraisany feno ilay tambin-karama momba ny fikarohana mitentina 8 hetsy ariary isam-bolana araka ny voalazan’ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny oktobra 2009.

 Tapa-bolana aty aorian’ny fiatoan’ny fampianarana vao misy ny fihetsika ataon’ny fitondram-panjakana. Nambaran’ny minisitra Razafindehibe Etienne fa efa ampamaranana ny antontan-taratasy momba ny ora ambony ampanga ny tomponandrakitra amin’izao fotoana. Momba ny tambin-karama azo noho ny fikarohana indray dia nekena ny fitakian’ny mpampianatra ny hampidirana ilay 2 hetsy ariary ao anatin’ny vatakarama avy hatrany raha noraisina tamin’ny alalan’ny taratasim-bola na naloa vola teny anivon’ny oniversite isanisany izany hatrizay.

Marihina fa natao tsikelikely ny fandoavana ilay 8 hetsy ariary ka ny 5 hetsy ariary izany izao no efa azo saingy mbola misy ambiny 3 hetsy ariary. «Noho ny enti-manana izay tsy maharaka dia tsy afaka manome fahafaham-po tanteraka ny fanjakana saingy misy ihany ny mangirana kely azo hatao momba ny ambiny», hoy ny minisitry ny fampianarana ambony. Tsy nambarany kosa anefa ny maribola ho azo amin’izay «mangirana kely» izay. Raha nanontaniana ny Seces sampana Antananarivo dia nanambara ny filohany, Rtoa Irène fa tsy mbola afa-po ry zareo hatreto ary miandry porofo mivaingana ny fanatanterahana ilay fampanantenana ihany koa

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT