Manamafy hatrany ny fanentanna sy fampahafantarana ny vahoaka ny zo fototry ny ankizy manoloana ny firongatry ny herisetra samihafa ny tambajotra miaro ny ankizy na ny "Réseau de Protection de l'Enfant" tarihan'ny eo anivon'ny foibem-paritry ny mponina sy ny solontenan'ny UNICEF any an-toerana, ka tao amin'ny Fokontany Andranomadio parcelle 11/43, no nanatanterahan'izy ireo izany ny sabotsy 01 febroary teo. Lohahevitra dimy lehibe no nasongadina tamin'izany dia ny fiarovana manokana ireo zaza mbola madinika amin'ny afo sy ny loza isan-karazany ka nanaovana antso avo ny olon-dehibe sy ny ray aman-dreny tsy hanao tandrevaka ny fitaizana, ny fiarovana ny zaza amin'ny herisetra ara-tsaina na ara-môraly izay nanafatrafarana ny fiantraika ratsin'ireo teny marary sy ny ompa atao amin'ny ankizy, ny ady amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny fanolanan-jaza ary ny dingana arahina sy ny toerana tokony haleha raha sanatria ka misy ny tranga na herisetra miseho eny anivon'ny fokontany. Hentitra ny lehiben'ny sampandraharaha miaro ny zon'ny ankizy ao an-toerana Atoa Mahatody Emile raha nanafatrafatra ny Fokonolona nandritra ny fanentanana nanao hoe : "Ny zanakareo dia zanakay, koa mampitandrina ny tambajotra fa izany no maha eto anay. Tsy hanaiky ny herisetra atao amin'ny zaza fa misy ny lalàna arahina amin'izany". Tsiahivina fa anisan'ny faritra mena amin'ny herisetra atao amin'ny ankizy iny faritr'Andranomadio-Toamasina iny, ka izany indrindra no anton'izao ezaka izao.
Fanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.