Actualités

Talen’ny kabinetra CUA “Tsy voasambotra izany aho !”


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Nitondra fanazavana mikasika ny filazana ny fisamborana azy ny kaomisera Rabearisoa Alexandre, Talen'ny kabinetran'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly hariva tao amin'ny Lapan'ny tanŕnan'Antananarivo.

 Manao akanjo “polo” mainty ny tenany ary mbola misy kiririoka eny am-bozonany. Tsy mieritreritra na miahiahy ny hosamborina mihitsy ity tompon'andraikitra ity tamin’ny nahitana azy. Na izany aza, nanazava ny tenany fa matoa nanatrika ny fivorian'ny polisy teny Anosy ny sabotsy teo dia amin'ny maha mpikambana azy ao amin'ny “Amicale des Commissaires”. Nantsoin'ny filohan'io fikambanana io izy ka dia tonga. Tsy nanafina izy fa anisan’ireo nandray fitenenana nandritra ny fivoriana. Io angamba, hoy izy, no nahatonga ny tompon'andraikitra sasany teo anivon'ny polisy ho nanenjika ahy ka nanaparitaka zava-diso ary nahatonga io resaka fisamborana tsy marim-pototra io. Nilaza aho fa tsy rariny ny natao tamin'ireo polisy nosamborina ireo. Tsy voahaja ny zon'ny voampanga. Tsy nohajaina ihany koa ny “présomption d'innocence”.

Ny lehibenay anefa no tokony ho antoka amin'izany rehetra izany satria polisy mitovy aminy ireo, hoy ihany ity kaomisera mahitsy fiteny ity. Soa ihany, hoy izy fa nisy ny fanambarana nataon'ny mpampanoa lalàna fa hojerena akaiky tsara avokoa ny antontan-taratasin'adin'ireo polisy voarohirohy ireo fa raha tsy izany hafa mihitsy ny fandehan'ity raharaha teo anivon'ny polisy ity. Izay ilay antoka tadiavianay tamin'ireo lehibenay ireo nefa tsy nataony, hoy izy. Na ny fahazoan-dalana manenjika ireo polisy ireo aza tsy misy avy amin'ny minisitry ny Filaminana anatiny. Mikasika ny filazana fa fiafenan'ny kaomisera Rabearisoa tany amin'ny RFI dia nilaza izy fa tsy tany mihitsy ary tsy nisy ny fisamborana azy tamin'ny alina. Manely vaovao tsy marina izany, hoy izy, tsy naka sarotra.

Salomon

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT