Voaantso teny amin’ny zandary Fiadanana ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Raobimanana Orlando, omaly zoma 22 novambra 2013 ary nalaina am-bavany amin’ny resaka famoaham-bola 16 miliara Ariary mikasika ny Bureau des Cadastres Miniers de Madagascar (BCMM).
Lazaina ho nanome alalana hamoaka io vola be io izy ary dia notondroina ho mpiray tsikombakomba ao anatin’izany raharaha maloto izany. Mifanohitra amin’izany anefa ny zavatra nitranga satria nandray andraikitra nanakana ny famoahana io vola be io ny Tahirimbolam-panjakana. Nefa dia izy mpiaro sy mpanakana ilay teti-dratsy indray no lazaina fa mpiray tsikombakomba. Toherin’ny mpiara-miasa ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana io fanendrikendrehana io. Manoloana izany dia hanao hetsika fanairana hikatona ny ratsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana manerana ny Nosy ny alatsinainy 25 novambra 2013.
Nanao fanambarana iombonana ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana omaly, nampahalala io zava-misy sy fepetra noraisina io ary koa mampahafantatra fa manoloana ny fiverimberenan’ny teti-dratsy hangalarana volam-bahoaka tato ho ato, izay miseho amin’ny alalan’ny fanaovana taratasim-bola hosoka, na fanomezana baiko sy fanaovana sonia hosoka amin’ny antontan-taratasy dia efa nandray fepetra ny Tahirimbolam-panjakana hanamafisana ny fanaraha-maso eny anivon’ireo sampandraharaha rehetra iandraiketany manerana ny Nosy. Ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ireo fepetra voatsiahy ireo anefa dia mitaky fiaraha-miasa haingana sy hentitra amin’ny rehetra. Ny fandraisana andraikitra matotra no tsy nisian’ny vola nivoaka amin’ny alalan’ny hosoka na amin’ny fomba tsy ara-dalàna teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana hatreto ary nahafahana misoroka ny teti-dratsy. Ny Tahirimbolam-panjakana ihany koa dia manentana ny rehetra mba ho mailo hatrany ary mba hifandray haingana amin’ny sampandraharam-panjakana raha toa ka misy miahiahy amin’ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’izy ireo.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.