Tezitra ireo mpitandro ny filaminana izay nilaza fa nahodin’ny kolonely iray eo anivon’ny Tafika ny karaman’izy ireo.
Efa nanao filazana an-gazety izy ireo fa hihetsika raha sanatria ka tsy voaefa io karama efa ho herintaona io, karama izay mahakasika indrindra ny asan’ireo tamin’ny «task force» na koa ny vondrona manokan’ny mpitandro ny filaminana izay nidina tany amin’ny faritra maro mba hiadivana amin’ny fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy. Raha ny fantatra dia nihaona tamin’ny Cemgam izy ireo ary nanazava fa tsy hanaiky ny zava-misy. Efa fantatr’ireo hatramin’ny anaran’ny kolonely izay nanodina ny vola. Raha ny fantatra dia namono afo io lehiben’ny tafika io ary nilaza fa hamaha ny olana faran’izay haingana. Na izany aza, nanome fe-potoana ireo mpitandro ny filaminana izay sady misy miaramila no misy zandary sy polisy. Ahiana ihany koa ny hihetsehan’ireto olon’ny “task force” izay mahatsiaro voafitaka ireto. Arahina akaiky.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.