Actualités

Tafika Malagasy Mihamafana ny toe-draharaha, tsy hita ny Cemgam


  • Zoma 30 Desambra 2011

Tao anatin’ny herinandro izay no tsy niakatra birao ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy, ny jeneraly Ndriarijaona André.

 Ny tsiliantsofina no nahafantarana fa lasa any Anosibe An’ala ny tenany. Ny zava-misy eo anivon’ny Tafika anefa miha mafana andro aman’alina. Omaly dia nanomboka niakatra niseho vahoaka teny amin’ny biraon’ny Etamazaoro ireo miaramila manamboninahitra lefitra. Malahelo ny zava-misy eo anivon’ny Tafika amin’izao fotoana izao izy ireo. Ny volaohany amin’ireny dia mikasika ireo miaramila migadra any Tsiafahy sy Antanimora. Fa nahoana, hoy izy ireo, rehefa polisy no mihetsika mahavita manery ny mpitondra ka managadra polisy any Ambatolampy fa tsy Antanimora ? Tsy vitan’izay ihany fa efa voalazan’ny tondrozotra ihany koa fa tokony havoaka ny gadra politika. Na inona ho lazaina na inona ho tenenina dia fanambarana politika no nataon’ireo miaramila manamboninahitra teny amin’ny BANI ny 17 novambra 2010.

Nahoana anefa izy ireo no tsy avoaka ? Manahy, araka izany, ireto manamboninahitra lefitra mampiaka-peo ireto ho ny lehiben’izy ireo mihitsy no misakana ny tsy hamoahana ireo manamboninahitra migadra eny Tsiafahy sy Antanimora ireo. Ankoatra izay, maro tamin’ireo “sous officiers” ireo no tsy nahazo “avancement” tao anatin’ny taona maro nifanesy izay.

Talanjona anefa izy ireo raha nahita fa vao roa taona monja no nitondran’ny lehiben’izy ireo galona jeneraly dia niampy iray sahady ny kintana. Kianin’izy ireo koa ny tsy fanajana ny zoky intsony eo amin’ny miaramila. Izany hoe tsy miteny intsony ny galona. Tsaroana tsara angamba ny zava-nisy teo anivon’ny governemanta teo aloha. Kolonely ny galonan’ny praiminisitra dia jeneraly kintana telo ny minisitra. Rehefa niakatra kintana roa indray ilay praiminisitra dia lasa kintana efatra ny minisitra iray. Izany rehetra izany no aretina mikiky andro aman’alina ny tafika amin’izao fotoana izao ka mahatonga ireo “sous officiers” tsy maharitra intsony. Ho hita eo ihany ny tohin’ity raharaha eo anivon’ny Tafika ity satria milaza ny tsy hihemotra intsony ireto “sous officiers” ireto !

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT