Mitaraina ny mpitolon’ny taona 2009 nandrava ny fitondrana Ravalomanana ankehitriny ary mihorohoro mihitsy aza taorian’ny faharavan’ny governemanta Camille Vital farany teo, ka nahalaza hoe : “efa heno sahady any ho any fa haverina ireo tsy maty manota efa nanapotika ity firenena ity hatramin’izay”.
Te hidradradradra mihitsy aza amin’ny hoe : “izy ity anie raharaham-bahoaka fa tsy raharan’antoko ka entina hamadihana ny tolom-bahoaka e !”. Nefa akory atao, tsy maintsy hirosoana ny fiaraha-mitantana raha te-hahazo fankatoavana iraisam-pirenena satria efa nandramana avokoa izao fiarahana tamin’ireo jodasin’ny teny amin’ny Magro izao, fa tsy niditra an-tsehatra nikarakara ny solontena vahiny raha tsy ny mpomba ny filoha Ravalomanana no tapa-kevitra. Voizina ny teny «Sosialim-bahoaka» ankehitriny, hoy ry zareo ao amin’ny ministeran’ny mponina. Iza amin’ireo kandidà praiminisitra 15 ireo no tena hijery marina izany rehefa tonga eo ? Hiady amin’ny fahantrana ve ireo sa hiady amin’ny mahantra fa mirongatra indray ankehitriny ny ady tany (Bel’Air, FAAMI, Antsirabe : 400 logements…) rehefa tsy teo intsony fa nodimandry Rtoa minisitry ny mponina ? Aiza ny Bianco amin’ny “déclaration du patrimoine” fa izy irery no mba nanao izany ?
Miverina indray izao ny raharaha fanondranana olona any ivelany (Liban sy Koweit). Mirongatra ny fanolanana, ny afera “bois de rose” tsy voasakana mihitsy. Ny harem-pirenena (vatosoa, volamena, safira…) tena tantely afa-drakotra. Hopitaly be manara-penitra no mahamaika nefa CSB II hany mba takatry ny sarababem-bahoaka firy no mihidy satria tsy misy mpiasa ? Tena ady amin’ny mahantra fa tsy ady amin’ny fahantrana no miseho amin’ity krizy ity. Ary ny tolom-bahoaka dia mbola natao tohatra fiakaran’olom-bitsy ka tsy hita soritra intsony ny hambompom-pirenena nodradradradraina.
Fa maninona no mirongatra mafy ny tsy fandriampahalemana ? Mitondra ny ministeran’ny Foloalindahy mankaiza ny vono moka sy fampihorohoroana atao amin’ny Malagasy tantsaha any Alaotra Mangoro sy Betsiboka ? Iza marina no mahazo tombontsoa amin’izany ? Inona marina no zava-misy ao amin’ny JIRAMA fa toa miverina indray ny delestazy ? Ary ny fampanantenana paokaty ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fampidirana ny zana-bahoaka izay hoavin’ny firenena ? Ahoana ireto grevy ireto ? Tsy maintsy misy maty ve ? Tsy voafehy ve ? Inona ny ambadika : politika, vola sa tsy fahaiza-mitantana ? Ny sasany no manao revin-gadra ka ny vahoaka no gadrainy amin’ny reviny ! Aiza ho aiza ny asa aman’andraikitra ry SAMIFIN amin’ireto milefa fandoavan-ketra marobe eto Madagasikara ireto fa mihoapampana ? Tsy misy mihaino !
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.