Namarana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy, izay fanaony isan-taona ny SOS Village d’enfant Ivohitra Antsirabe ny faran’ny herinandro teo. Hetsika fanao, izay ampiarahina amin’ny hetsika ara-pahasalamana sy sosialy.
Tamin’ity indray mitoraka ity dia nisafidy niara-niasa tamin’ny ONN ny fikambanana satria tsikaritra, hoy i Dr Ratsizafy Onimalala fa manjaka ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny zaza sy ny ankizy manodidina ny tobim-pahasalamana sahaniny avy amin’ireo fokontany 4 manodidina ny toby ao Ivohitra. Tetsy an-daniny dia nisy ihany koa ny fizarana kopia maimaimpoana ho an’ny ankizy tsy mbola nahazo izany mihitsy ka nanodidina ny 60 no nisitraka izany, ankoatry ny soratra ara-panjakana faobe natao tamina tokantrano niisa 20, izay niarahana tamin’ny kaominina Antsirabe renivohitra sy ny SOS Village d’enfant ihany. Fa amin’ny maha hetsika ho an’ny ankizy azy dia nisy ny fampahafantarana ny ray aman-dreny ny antsoina hoe Zaza tomady, izay niarahana tamin’ny POSI. Efa hatramin’ny taona 2002 moa no niasan’ny fikambanana teto Antsirabe ka ny fisahanana sy fitaizana ireny zaza tsy misy mpiahy ireny no tena sahanin’ny fikambanana amin’izany. Nambaran’i Dr Onimalala ihany moa fa efa nahatratra 2300 ny ankizy sahanin’izy ireo ka ny sasany dia mitoetra sy monina ao amin’ny toby ao Ivohitra, izay samy manana ny tokantrano misahana azy, misy kosa ireo mpianatra avy amin’ny fokontany 4 manodidina, izay sahanin’ny fikambanana ihany. Amin’izao fotoana dia mihevitra ny hanitatra ny fokontany hiasana ny foibe noho ny hamaroan’ny olona maniry fanampiana avy amin’izy ireo.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.