Hihaona amin'ny masoivoho amerikanina anio ny SMM. Izay indray ny feo mandeha mahakasika ny famahana ny olan'ny sendikan'ny mpitsara amin'ny polisy.
Tsy mbola amin'ny fomba ofisialy akory ilay vaovao fa loharanom-baovao akaiky ny mpitsara no nahafantarana azy. Hohamarinina rahateo mandritry ny tontolo andro anio ny mety ho fahamarinany na tsia. Mbola re ihany koa aza fa horaisin'ny SADC ny sendikan'ny mpitsara saingy mbola amin'ny voalohandohan'ny janoary no hotanterahina. Mijery akaiky ity olana ity koa izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra fa ny SADC izay mahatsapa fa mety hampikatso ny tanjona rehetra ny savorovoro toy izao. Ny amerikanina koa dia tsy nitsahatra ny namoaka ny tsy ara-dalàna izay nitranga teto Madagasikara hatramin'izay ary mazava loatra izy ireo raha manaraka akaiky ny raharaha satria vono olona no nitranga, feno rahateo ny porofo. Andrasana ny mety ho vahaolana aroson'ireo hihaona amin'ny SMM ireo.
Gaby
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.