Actualités

Serasera sy asa fanaovan-gazety Sahiran-tsaina ingahy minisitra ?


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Tahaka ny sehatra maro eto amin’ny firenena dia mandalo krizy ihany koa ny tontolon’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety.

 Azo hanaporofoana izany ireo taratasy maromaro navoaky ny ministeran’ny serasera nanomboka ny volana desambra no ho mankaty. Ny minisitra Rahajason Harry Laurent, izy tenany aza dia efa tsy latsaky ny in-telo, tao anatin’ny iray volana no nanambara fa tokony hanamarina tsara ny vaovao avoakany ny mpanao gazety sasany mba hitandroana ny filaminana sy tsy hampikorontana ny saim-bahoaka. Mahita izany ny ao amin’ny ministera fa misy ny vaovao diso na tsy mitombina avoakan’ny gazety na onjampeo na fahitalavitra sasany. Hita sy tsapa kosa aloha tato anatin’ny enim-bolana teo izay fa nihamafy ny fanakianana ny fomba fiasan’ny fitondrana tetezamita nataon’ny mpanao gazety tamin’ny alalan’ny haino aman-jery na ireo gazety mpiseho isan’andro. Ary ny tena nahagaga aza dia ireo mpanao gazety, azo natao hoe tena niara-niasa akaiky tamin’Atoa Andry Rajoelina mihitsy no lasa masiaka fomba fiteny manoloana ireo zavatra hitan’izy ireo fa tsy rariny sy tsy araka ny tokony ho izy ataon’izao fitondram-panjakana izao.

Midika izany fa nitombo ireo manohitra ny fitondrana. Ny zanaka tao an-trano aza dia manomboka mamoaka tsiambaratelo isan’andro. Nikorapaka ny tao ambonimbony tao ka tsy maintsy nahetsika ny ministeran’ny serasera. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : raha toa ka mbola manohy ireo fanakianana mavaivay ny fitondrana tetezamita ihany ireo gazety sy onjampeo ary fahitalavitra efa namoahana fanambarana miendrika fampitandremana ireo, ho sahy hiroso amin’ny dingana manaraka ve ny ministera ? Dia hitohy indray izany ve ny fanakatonana orinasan-tserasera sy fampidirana am-ponja mpanao gazety ? Mahalala tsara ny zava-nitranga tamin’ny desambra 2008 ny minisitry ny serasera amin’izao fotoana, satria anisan’ireo mpanao gazety niara-dia tamin’i Andry Rajoelina ny tenany, ary namany akaiky ny sasany amin’ireo mpanao gazety henjana fomba fiteny amin’izao fotoana.

Ho sahin’ny fitondrana tetezamita ve ny hamaky ady amin’ny mpanao gazety ao anatin’izao vanim-potoana mamaivay eto amin’ny firenena izao ? Raha toa ka tsy mamerina anaty vala ireo izay mety ho diso lalana ary mampihatra ny lalàna koa anefa ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera dia ho raisim-potsiny eo ihany koa. Tena sarotra ny fanapahana ary tsy mora ny asa. Tsy vahaolana anefa ny tsindry bokotra sy ny fandrahonana fa dinika ambony latabatra ihany no izy. Natao ho an’ny rehetra ny lalàna fa tsy tokony hisy fanavakavahana, ka ho hita eo ny ho fihetsiky ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera manoloana ity asa fanaovan-gazety misamboaravoara ity.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT