Nahazo fampahatsiahivana tamin’ny fikambanan’ny mpampiasa sidina anabakabaka sivily iraisam-pirenena na «Organisation de l’Aviation Civile Internationale» i Madagasikara.
Taorian’ny fitsirihana ifotony nataon’ny OACI teto amintsika mantsy dia nivoaka ny valin’izany izay milaza mazava fa seranam-piaramanidina miisa 8 eto Madagasikara no tsy mamaly ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana takiana amin’ireo seranana fivezivezen’ny mpandeha ireo. Mila mamaly haingana ireo filana iarahan’ny fikambanana namolavola noho izany, ny firenena malagasy mba tsy hosaziana. Raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny mpampiasa sidina sivily malagasy Razafy Jean Robert moa dia ahitana elanelana goavana tokoa ny zava-misy eto Madagasikara sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena raha ity tontolo iray ity noresahina ka ilaina ny fandraisana andraikitra malaky. Anisan’ny fepetra voalohany noraisin’ireo manampahefana ho fanarahana ireo tolo-kevitry ny OACI moa ny fanaovana sonia fanomezana ireo fitaovana tena ilaina amin’ny fitandroana ny filaminana eny amin’ireo seranam-piaramanidina ireo toy ny fakan-tsary fanaraha-maso, fitaovana fitiliana entana amin’ny alalan’ny «Rayon X» sy ny fisian’ny borigady ahitana alika manokana miandraikitra ny filaminana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.