Tao anaty valizy misoratra amina anarana malagasy (A.C) no nahitana ireto sokatra niisa 119 ireto omaly.
Tokony handray ny sidin’ny kaompania Air Mauritius hihazo an’i Chine, mandalo any Singapour ireto sokatra ireto no sarona. Tsy hita moa ilay olona misoratra amin’ilay valizy. Tranga izay mampametra-panontaniana ihany satria efa fantatra izao fa niha mafy ny fisavana eny Ivato taorian’ny zava-nitranga ny 26 jona kanefa dia mbola misy sahy manao trafika ihany. Misokatra ny fanadihadiana dia andrasana ny valin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.