Tsy hitokona indray amin’ity herinandro ity noho ny antso nataon’ireo mpiadina sy ny ray aman-drenin’ireo kilonga manala CEPE anio ilay vovonan’ny sendikan’ny mpampianatra eto
Madagasikara fantatry ny rehetra amin’ny hoe SEMPAMA Nosy manerana ny nosy. Izy ireto moa raha tsiahivina dia efa nanambana ny tsy handray anjara mihitsy amin’ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana saingy izao nanova paikady izao indray ho fitsinjovana ny zaza madinika. Araka ny fanazavan’andrimatoa Ratolojanahary Arsene, mpitondra tenin’ity fikambanana ity anefa dia mbola hitohy ny fitakiana efa nataon’izy ireo mikasika ny tambin – karama sy ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mpampianatra FRAM aorian’ny fahalavorarian’izao CEPE izao.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.