Actualités

Sekoly ambony INSPNMAD Nandefa mpampivelona hiasa any Maorisy


  • Alarobia 22 Jona 2016

Nandefa mpampivelona hiasa atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice ny sekoly ambony INSPNMAD.

 

 Ny alatsinainy hariva teo no nanaterana azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato entina hampirisihina ny tanora Malagasy hilofo mafy amin’ny fianarana hatrehiny.  Any amin’ny “Clinique Fortis Darné” izy ireo no hiasa mandritra ny telo taona,  hiantohana trano fonenana, mahazo solon-tsakafo ihany koa, hiantohana saran-dalana raha mihoatra ny 3 km manodidina ny hopitaly no misy ny toeram-ponenany. Mbola hiantohana ihany koa  ny jiro sy ny rano ary ny gaz hahandroan’izy ireo sakafo,  fandefasana mpianatra izay mbola hitohy hatrany satria mbola misy 12 mianadahy izy ireo no eo an-dalam-pikarakarana ny antontan-taratasiny. Nambaran’izy telo mirahavavy nandritra izany fa tena faly tokoa izy ireo hiatrika asa hiantsorohany any ivelany na dia tsy teratany Malagasy toa azy aza no horaisiny an-tanana any Maorisy. Nanambara moa izy ireo fa tsy mora ny fifaninanana natrehiny saingy na izany aza tafavoaka soa aman-tsara ihany izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT