Actualités

SECES Mihatra avokoa ireo didim-panjakana telo vao hiverina hampianatra


  • Zoma 27 Janoary 2012

Tsy mbola hiverina hampianatra ny SECES na dia ho azo avokoa aza ny ora ambony apanga sy ny tambin-karama amin’ny fikarohana.

 Nohazavain’ny fitantanana iombonana misolo vonjimaika ny filoha nasionaly, izay voatendry ho Tale jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana ambony fa ny fanatanterahana ireo didim-panjakana telo mitondra ny laharana 1214, 1215 ary 1216 nivoaka tamin’ny volana oktobra 2009 ihany no fantatr’izy ireo araka izay efa nifanarahana tamin’ny mpitondra rahateo.

“Ny didim-panjakana iray momba ny tambin-karama amin’ny fikarohana ihany no efa raisina izay marihina anefa fa tsy feno akory. Tsy mbola misy tokotaniny kosa ireo tambin-karama hafa izay efa navoakan’ny ministeran’ny vola amin’ny gazety bokiny sy ny fampitoviana ny galonan’ny mpampianatra mpikaroka amin’ny an’ny mpiasam-panjakana rehetra”, hoy Rasolomampiandry Gilbert, mpandrindra ny fiaraha-mitantana. Nomarihany fa fisondrotana “classe” in-droa ihany no azon’ny mpampianatra mpikaroka raha in’efatra miantoana izany ho an’ny mpiasam-panjakana hafa. Ny dokotera vao nahavita fianarana no mitovy “classe” amin’izy ireo, hoy hatrany izy. Tsy mbola ho ato ho ato mihitsy izany ny fiverenan’ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Mandritra ny Kongresy izay tanterahany ny 22, 23 ary 24 febroary vao handinika indray ny fitohizan’ny fampianarana ny SECES.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT