Actualités

SECES Barikadimy Hampiato ny fampianarana rehetra


  • Zoma 30 Desambra 2011

Taorian’ny fivorian’ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona eo anivon’ny SECES Toamasina, ny alarobia lasa teo dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana sy ny asa rehetra mifandraika amin’ny fampianarana, indrindra ny fanadinana sy ny famoahana naoty ary ny fanaovan’ny mpianatra fanohanana voka-pikarohana ny volana janoary 2012 ho avy izao.

 Araka ny fanazavan-dRtoa Velontsara, filohan’ny SECES Toamasina, dia noho ny tsy fahazoan’izy ireo ny vola tambin’ny ora fanampin’ny fampianarana izay efa niarahana nanapaka tamin’ny minisitra teo aloha ny volana janoary 2011 teo, ary ny tsy ahitana soritra ao anaty tetibolam-panjakana taona 2012 ny tambin-karama momba ny fikarohana, no anton’izao fitokonana izao. Miankina amin’ny famahan’ny governemanta ny olana ny fiverenan’ny fampianarana araka ny nambaran’izy ireo, satria “tsy zavatra angatahana intsony ireo vola ireo, fa zo tokony homena ny mpampianatra mpikaroka manerana ny nosy”, izay antsoin’izy ireo koa hanaraka ny diany sy ny SECES eto Antananarivo.

Nanome valin-kafatra avy hatrany mikasika izany, ny minisitry ny fampianarana ambony Atoa Razafindehibe Hilaire Etienne, izay nilaza fa “efa nisy ny fihaonana nataony tamin’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola mikasika ity olana ity ka ny herinandro voalohan’ny taona vaovao 2012 io, dia efa horaisin’ny mpampianatry ny oniversite avokoa ny ora fanampiny rehetra. Eo am-pandinihana sy am-pandaminana kosa ny mikasika ny tambin-karamam-pikarohana”. Nilaza anefa ny minisitra Razafindehibe fa “zon’ny mpampianatra mpikaroka ny manao fitokonana hanaovany fitakiana, nefa tsy tokony hatao sorona ny tanora Malagasy, indrindra fa ao anatin’ny famaranana ny taom-pianarana ny ankamaroany. Efa mandeha rahateo ny ezaka rehetra hamahana ny olana ankehitriny”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT