Actualités

Saropody Tanjombato Feno trano mora vita amin’ny «sachet»


  • Talata 07 Febroary 2012


 Tsy niandry ny fanangonana ny vola hoenti-manana izany ireto fianakaviana maromaro eny amin’ny lalamby eny Saropody Tanjombato ireto fa niainga amin’ny zava-misy ry zareo dia ny fanangonana “sachet” maro loko ary nandrafitra ny trano mora ara-bakiteny ho azy ireo izay vita manontolo amin’ny “sachet” na ny fototra, na ny rindrina, na ny tafo sy izay rehetra ao anatiny. Tsy fantatra mazava aloha raha mba misoratra anarana eny anivon’ny Fokontany ho isan’ny mponina eny amin’ny fokontany izy ireo. Ny heno teny an-toerana dia ny tsy fananana asa noho ny krizy misy ankehitriny no nahatonga izao trangam-piainana mahazo an-dry zareo izao. Tsy te-hiaina amin’ny gidragidran’ny manampahefana ao an-drenivohitra ao koa, hoy ny feo heno, izy ireo ka naleony nitady toerana mangina sy azo iainana ary tsy misy mpanelingelina aloha hatramin’izao. Sady tsy tafiditra amin’ireo trano hazo horavana aloha ny azy ireo no tsy manelingelina fifamoivoizana sy mason’ny manampahefana ihany koa.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT