Sarkozy –Rajaonarimampianina

> Nifampindrana kabary ofisialy fandraisam-pahefana ?


  • Talata 28 Janoary 2014

« Dia gaga ialahy ! », hoy ny fomba fiteny nanana ny lazany tokoa tao anatin’ny fitondrana tetezamita ary lasa fampiasan’ny besinimaro ankehitriny.

Nanaitra ny mpanara-baovao maro tokoa mantsy ny firafitry ny kabarin’ny filoham-pirenena malagasy vaovao Rajaonarimampianina Hery tamin’ny fiteny frantsay nandritra ny lahateniny voalohany nataony teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 25 janoary 2014 lasa teo, taorian’ny fandraisany ny fahefana tamin’ny fomba ofisialy sy ny an’ny filoham-pirenena frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy tamin’ny fotoana nahalany ity farany hitantana an’i Frantsa tamin’ny taona 2007. Ny antony dia misy fehezanteny maromaro mitovy tsy misy valaka tamin’ireo kabary roa ireo amin’ny lafiny rehetra, indrindra fa ny votoatiny amin’ny ankapobeny. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe fa angaha ny manampahaizana manokan’andriamatoa Nicolas Sarkozy amin’ny fandrafetana kabary no lasa mpanolotsainan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery amin’ny famolavolana lahateny ampahibemaso amin’ny fiteny frantsay tahaka ny tamin’ny fametrahana azy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara farany teo ? Ny fantatra kosa aloha dia samihafa tanteraka na ny zava-misy ao amin’ireo firenena roa ireo na koa ny vanim-potoana nanaovana ireo lahateny roa tsy misy valaka ireo. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa efa nisy tranga tahaka io ihany koa nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fihaonana iraisam-pirenena iray izay natrehany tany amin’ny Firenena Mikambana. Nitovy tanteraka tamin’ny votoatin’ny kabary ofisialy efa nataon’ny Praiminisitr’i Luxembourg  taona vitsy lasa mantsy ny lahateny nataony nandritra io fivoriambe manerantany io.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT