Asa noho ilay hoe tetezamita na ahoana, fa dia goragora tanteraka ny fandaminana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra eto.
Singanina manokana amin'izany ny amin'ireo posy sy sarety ary fiarabe mpitatitra entana. Misy ny lalàna manankery mandamina ny momba azy ireo. Mialoha ny amin'ny enina ora maraina sy aorian'ny amin'ny valo ora alina no afaka miditra an-tanàn-dehibe sy fiarabe (camion), ary mitovy amin'izay koa ny an'ny sarety sy posy mpitatitra entana. Ny mifanohitra amin'izany anefa no hita satria dia hita eny amin'ny arabe manerana an'Antananarivo Renivohitra amin'ny andro antoandro be sy anelanelam-potoana ny fiarabe, posy ary saretin'omby. Miampy ny fibahanan-dalana ataon'ny taksibe sasany, ny tsy fifanajana eo amin'ny samy mpamily fiara, dia miteraka fitohanana lavareny izany rehetra izany ary dia miteraka fahasosorana ho an'ny hafa. Mampalahelo fa indraindray dia miafara amin'ny ady sy fifandratrana. Natao hampiharina ny lalàna, mba hampilamina sy hampirindra ny fiainan’ny fiarahamonina. Misy ny mpampihatra ny lalàna, izay tokony hanao ny asany isan'andro. Manana adidy hanabe ny olom-pirenena amin'ny fanajana ny fitsipika sy ny lalàna misy koa ny fanjakana, ary ny tsirairay dia tokony hahatsapa fa tsy maintsy hajaina ny fahalalahan'ny hafa, fa tsy hoe izay mahametimety ny tena ihany tsy akory no mety sy marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.