Sao Paulo - Brezila

> Nanimba zavatra ny mpanohitra ny Mondial 2014


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014

Niafara tamin’ny sakoroka sy famotehan-javatra omaly tany Sao Paulo ny andro voalohan’ny hetsika hoenti-manohitra ny hanatanterahana ny Mondial any Brezila, dimy volana alohan’ny tsy hisokafan’ny fifaninanana amin’ny 12 jona.

Marihina fa hatramin’ny 13 jolay izao no haharetan’ity fifaninanana ity. Tanàna 36 any Brezila moa no nahetsiky ny Anonymous mpitarika ny fihetsiketsehana. Tsiahivina fa efa tamin’ny volana jona 2013 no nisy hetsika fanairana tamin’ny fisondratan’ny sarandalan’ny bus tany an-toerana. Tena manahirana ny olona moa ankehitriny ny fitakiana ny tombontsoan’ny mpiasam-panjakana any Brezila manoloana ny fandaniambe hatao amin’ity resaka baolina kitra sy ny karama midangana ben’ny mpanao baolina. Nanakoako omaly ny hoe : “mifohaza ry Brezila fa tokony ho ambony lavitra noho i Neymar iray ny mpampianatra iray”. Omaly moa tany Sao Paulo dia olona 30 no voasambotra, tao anatiny ny mpikambana mahery fihetsika «Black Bloc» mpisarontava.

 

Nangonin-dRainilita

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT