Actualités

Sambo rendrika tany CAP Masoala Mpianatra ao Barikadimy ny 12 tamin’ireo nentiny


  • Alakamisy 29 Desambra 2011

Mitohy ny fahazoana ny vaovao mikasika ilay sambo kely “Elisabeth I” rendrika teo anelanelan´ny CAP Masoala sy Antalaha ny alin´ny alatsinainy teo.

 Raha ny vaovao voaray avy eo anivon´ny oniversiten´i Toamasina, tamin´ireo mpianatra nahalala tsara ireo namany, dia mpianatra 12 handeha hiala sasatra sy hamarana ny taona ary handray ny taona vaovao eo anivon´ny fianakaviana any SAVA, no anisan’ny rendrika sy heverina ho maty tamin´ny firendrehan´ity sambo kely Elisabeth I ity. Mpianatra ao amin’ny sampana toekarena sy fitantanana ny ankamaroan´izy ireo. Nisaona nanomboka omaly ny oniversiten´i Toamasina. Ny ferin’ny olana teo aloha tsy mbola sitrana dia izao tonga indray ny manaraka. Nitohy ihany koa ny fanadihadiana mikasika ny tena isa marina momba ity sambo rendrika ity. Miovaova be ihany mantsy ny isan´ny olona nentiny. Misy ny milaza fa mpandeha 12 niampy mpanamory ny sambo sy ny mpiasa tao anatiny miisa 08.

Misy indray loharanom-baovao milaza fa mpandeha 20 niampy ny mpanamory sy mpiasa niisa 09. Ao koa aza no nihoatra izany satria raha mitambatra ny mpanamory sy ny mpiasa ary ny mpadeha dia efa mahatratra 40 any ho any. Tsy hay hatreto ny tena isa marina, satria tsy nisy ny fahamarinana tamin´ny olona nentiny sy ny taratasy mazava mirakitra izany. Ny lanjan´ny entana nentin’ny “Elisabeth I” no hany fantatra mazava hatreto izay milanja 50 taonina ny entana samy hafa ary 20 taonina ny vary. Ankoatra izay, efa manomboka mazava ny anton’ny loza. Araka ny fanazavana nomen’ny mpahay ny zotra an-dranomasina, dia ny motera maty na mihitsoka tampoka no tena mahatonga ny sambo toy ireny mora avadiky ny onja, eo koa ny vesatra be loatra entiny nefa ny motera tsy mandeha na maty. Ny fotoana nitrangan´ny loza ihany koa nifanandrify amin´ny fotoana fidirana “cabine” andeha hatory, ka matoa betsaka ny tsy hita dia azo heverina tsara fa mety mihitsoka any anaty “cabine” nisy azy izy ireo niaraka tamin´ny sambo rendrika.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT