Raikitra ny Salon du luxe karakarain’ny gazety Jejoo sy ny Rotary Club Ny Ainga etsy amin’ny Carlton Anosy.
Nanomboka omaly alarobia ny varotra ary hitohy amin’ity alakamisy ity. Tranoheva 40 isa eo no mandray anjara mivantana amin’ity Salon du Luxe ity ahitana ireo entana efa voafantina sy avo lenta amin’ny marika tena izy (vraie marque) ilain’ny rehetra amin’ny fiainana ankapobeny sy mandritra ny fety. Vao ny andro voalohany dia tsikaritra fa ifanotofana ny entana. Efa nampoizina io, satria tsy fahita matetika ny hetsika ahitana ireo entana avo lenta hita amina toerana iray toy izao.
Ankoatra ny vehivavy sy renim-pianakaviana izay mahazo tombontsoa manokana amin’ireo karazana entana sy kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fikarakarana ny vatana dia hita ao an-toerana ihany koa ireo karazana finday entin-tanana avo lenta natao ho an’ny rehetra, ireo karazana entana vokatry ny asa tanana malagasy manaraka ny kalitao takian’ny mpanjifa, ny fehezam-boninkazo amin’ireo karazany tena tsara. Ahitana vokatra sahaza ny rehetra ao, kilalao ho an’ny ankizy, vokatry ny teknôlôjia ho an’ny tanora, fitafiana sy ny maro hafa an’ny lehibe… 3.000 Ar no vidim-pidirana raha tsiahivina ary mivoha tsy miato hatramin’ny folo ora alina ny tsena. Tsara ny manamarika fa hita ao amin’ny Carlton mandritra ity Salon du Luxe ity ihany koa ireo karazana asa famoronana avo lenta tsy dia fahita firy. Voakasik’izany ny kojakojan-tokantrano amin’ny endrika sy karazany samihafa, vita Malagasy sy vahiny maro isafidianana. Misy koa ny fiarakodia anisan’ny marika mahasarika ny maro amin’izao fotoana any ivelany any, ary efa mahazo laka eto ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.