Actualités

«Salon du Luxe» Ho meva ny krismasy amin’ity


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Hetsika iray miavaka hanamarika ny fetin’ny krismasy amin’ity 2011 ity ny «Salon du Luxe» izay hotontosaina etsy amin’ny Carlton ny 21 sy 22 desambra ho avy izao, karakarain’ny gazety Jejoo miaraka amin’ny Rotary Club Ainga sy ny Continental Auto ary ny hotely Carlton.

 Sambany amin’ny tantaran’ny tsenabe fahita hatramin’izay no nisy hetsika natokana manokana ho an’ireo entana raitra sy avo lenta sy tena izy fa tsy irony dika mitovy nalain-tahaka irony. Tranoheva efapolo eo no hameno ny rihana voalohan’ny Carlton manontolo mandritra io roa andro io. Amin’ny maha krismasy ny andro dia hanana ny toerany manokana ny entana sahaza ny ankizy. Amin’ny maha fety ny andro koa anefa dia tsy ho diso anjara ny sokajin-taona rehetra, na kilalao vokatry ny teknôlôjia io, na sakafo, na fitafiana vita malagasy sy vahiny, eny fa hatramin’ny fiarakodia vaovao aza, izay entin’ny Continental Auto, toy ny marika BYD, Chery ary ISUZU amin’ny karazany samihafa azo hisafidianana tsara izay hameno ny «parking» manoloana ny Carlton. Malalaka ny fotoana fiantsenana mandritra ity «Salon du Luxe» ity satria dia hivoha hatramin’ny 10 ora alina ny toerana mba hahafahan’ny olona manaram-po misafidy sy manjifa izay entana tadiaviny. 3000Ar ny vidim-pidirana, ka hatokana ho an’ny Rotary Club Ainga ny 20%-n’ny vola avy amin’io hanatanterahan’ny fikambanana ireo asa soa sahaniny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT