Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny lalao famerenana ny lalao famaranana kitra iraisan’ny Kaominina, teo amin’ny FC Kambana sy ny tanora ao amin’ny Station CALA.
Lalao izay niadiana amboara omby vositra matavy. Tena niady ny lalaon’ny roa tonta ka somary niakatra ny maripanan’ny mpanohana ny an-daniny sy ny an-kilany. Nandeha avokoa ny taim-bava isan-karazany ary nahazo tsiny ny mpitsara ny lalao. 2-2 no isa nisarahan’ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna ka voatery niditra tamin’ny fandakana “tir au but”. Nanomboka teo ny gidragidra ary dia voatery nanapoaka basy ny mpitandro ny filaminana. Niverina amin’ny laoniny ihany anefa ny raharaha rehefa nifampiresaka ny mpikarakara sy ireo mpilalao. Fantatra fa tamin’ny fanatanterahana ny lalao famaranana voalohany herinandro vitsy lasa izay dia voatery najanona mihitsy ny lalao noho ny disadisan’ny samy mpijery ary ny mpilalao. Ny tamin’ny faran’ny herinandro teo koa dia saika niafara tamin’ny sakoroka raha tsy teo ny mpitandro ny filaminana. Miteraka olana hatrany eo amin’ny ady baolina kitra matetika ny tsy fahafehezan’ny mpitsara ny lalao izay tsaraina ka mahatonga ny mpijery hisendaotra. Ireo mpijery rahateo entanim-po tafahoatra ka zary lasa manaotao foana.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.