Actualités

Saint-Denis (La Réunion) Voarara tsy hizaha ny Kly Charles ireo mpiandry fonja


  • Alarobia 25 Janoary 2012


 Resy lahatra hatramin’ireo mpitsabo an’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ao amin'ny hopitaly Félix Guyon Bellepierre, Saint-Denis La Réunion, fa dia fikasana hamono an’ity manamboninahitra miaramila ity mihitsy ny nitazonana azy tany am-ponja nandritra ny telo herinandro nefa olona efa marary mafy. Tsy nanaiky moa ny havany, tsiahivina ihany, fa dia nitaky ny hitondra azy hamonjy hopitaly. Nony tonga tao Befelatanana indray anefa dia nisy ny fanerena sy baiko avy amin’ny ministeran’ny fitsarana hamerenana ny kolonely Charles tany Tsiafahy, saingy tsy tontosa izany ary dia izy tsaboina any La Réunion izao taorian’ny fandidiana maika natao azy tao amin’ny HJRA.

Manoloana izany, araka ny fitantaran’ny rahalahin’ny kolonely Charles, dia naka fepetra ireo dokotera ka tsy mamela ireo mpiandry fonja nampanarahan'ny FAT ity manamboninahitra ity any La Réunion, hidikiditra ny efitra itsaboana azy ary tsy manome vaovao azy ireo mikasika ny fivoaran’ny fahasalamany koa. Mpiandry fonja telo sy ny rahalahin’ny kolonely Charles no miara-dia amin’ny kolonely Charles any Saint-Denis La Réunion. Iantohan’ny FAT iretsy voalohany, raha mianto-tena kosa ny havan’ny kolonely Charles. Tonga teto hitady fanampiana amin’ny prezidansa ny rahalahin’ny kolonely Charles, nanaraka azy any, saingy voarirarira efa herinandro mahery izao. Nambaran’ity rahalahin’ny kolonely Charles ity fa dia tetika natao mba tsy hahafahany miverina any La Réunion, manaraka ny dosien’ny zandriny izao ataon’ny prezindansa izao, nefa avy amin’ireo no nahatonga ny havany marary toy izao. Nambarany fa hihazo an’i La Réunion anio maraina izy, satria mandre koa fa misy mikasa haka ao amin’ny hopitaly ny dosien’ny kolonely Charles. Hentitra ny rahalahin’ity farany nilaza fa dia hametraka fitoriana any amin’ny “Préfecture” ny tenany vantany vao tonga any La Réunion, mitaky ny hampodiana ireo mpiandry fonja ireo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT