Actualités

“Sahobin’ny ankizy” Nafana ny ambiansy teny Mahamasina


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Notanterahina omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ilay hetsika “Sahobin’ny ankizy”,

 

nokarakarain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy sy ny fetim-pirenena 26 jona. Mpianatra miisa 24.500 manerana ny DREN Analamanga, miparitaka amina fari-piadidiam-pampianarana efatra manodidina no nandray anjara tamin’izany raha miisa 27.000 ireo nandrasana. Anisan’ny nampiavaka ny lanonana ny filaharambe notanterahin’ny mpianatra isan-tsokajiny, narahin’ny fampisehoana ny fomba amam-panaon’ireo faritra 22 manerana ny Nosy. Ho an’ireo mpianatry ny CEG Antanimena manokana dia  ireo fomba amam-panao mampiavaka ny Faritra Atsimo Atsinanana no tena noventesin’izy ireo izay nanolorana loka ho azy ireo ihany koa. Nambaran-dRahelinirina Estellah,  tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa tsy nisy velively ny teritery natao tamin’ny fari-piadidiam-pampianarana mba hanatrika ny lanonana saingy tsy maintsy nomena fanasana avokoa ny mpianatra rehetra mba ho afaka hiatrika ny hetsika. Toraka izany koa ny tompon’andraikitra, antony tsy maintsy nanakatonana ny sekoly. Tsiahivina moa fa notanterahina omaly io ny fanolorana loka ho an’ireo mpianatra miisa 130 mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana vako-drazana, ny poezia ary ny slam. Nofaranana tamin’ny fampisehoana nataon’ny tarika Jerry Marcos ny hetsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT