Mahatonga saina sy mampanahy ny zava-mitranga eny amin’ny Kaominina Ambohimanga amin’izao fotoana.
Niondrika mantsy ny rovan’Ambohimanga raha nandalovan’ilay rivodoza Giovana. Tapaka ilay amontana manan-tantara nijoro teo Ambatorangotina, ilay toerana fisotroana «vokaka» (rano masina nasiana tany masina), fanaovana velirano ary fitsarana tamin’ny faha mpanjaka. Toerana nandevenan’ny andriamanjaka ombilahy mainty tokambolo mba hanaovana velirano sy hanatratrarana ireo mpandainga eo amin’ny fanjakana. Nilatsaka tamin’ny tariby mitondra herinaratry ny Jirama moa ilay amontana lehibe tsy nampoizina hianjera. Tsy vitan’izay anefa fa mbola niraraka teo amin’ny fidirana teo amin’ity toerana ity ilay hazo be ka nibahana ny lalana. Vao santatry ny fahasimbana ihany anefa izany satria nirodana avokoa ireo hazo manan-tantara tahaka ny aviavy sy amontana, eny hatramin’ilay zakarandahy goavam-be izay tsy vitan’ny tapaka fa niongotra hatramin’ny fotony ary nilatsaka tamin’ny lavadranon’ny Rova.
Lasibara ihany koa ny hazo masina eo “Fidasiana” ary nipasaka ho roa mihitsy. Rotika sy tapatapaka ny ankamaroan’ny hazo teny an-toerana, niongotra ny fefy sy ireo vato boda. Trano 11 isa ihany koa no rava teny amin’ny manodidina ka olona maherin’ny fitopolo no traboina izao. Potika ny tsenan’Andrianampoinimerina izay tsy voatokana akory. Tanimbary 350 ha eny Anosiarivo sy Malaza ihany koa no safotry ny rano amin’izao fotoana. Mamokatra vary manodidina ny 1 200 taonina eo ho eo anefa ireto tanimbary rava tanteraka ireto ka mazava fa voatery hividy ary ho sahirana ara-pivelomana ny vahoaka. Vakoka iraisam-pirenena ny Rovan’Ambohimanga ary fototry ny tantaran’ny fanjakana teto Imerina saingy hatry ny omaly dia tsy nampiraika ny mpitondra ny nizaha ifotony ny zava-misy teny.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.