“Rond point” Anosizato

> Amin’ny 9 ora alina mbola fitohanana be


  • Sabotsy 14 Desambra 2013


Tsy fahita ny fitohanan’ny fifamoivoizana etsy amin’ny “Rond point” Anosizato. Amin’ny 9 ora alina mantsy dia mbola mitomandavana ireo fiara mifanojo eo amin’io kihon-dalana io. Raha ny avy any Anosibe mihazo an’Anosizato Andrefana fotsiny dia efa mahatratra 300 metatra ny halavan’ny fitohanana amin’io ampahan-dalana io. Tsy latsak’izany koa ny amin’ireo lalana avy any Anosipatrana sy Fasan’ny Karana. Misy ireo fiara tsotra mamonjy fodiana fa tsy vitsy koa ny taksibe. Tena mampijaly ny mody lavitra ity lalana ity ka ilana vahaolana amin’ny famoronana lalana hafa satria tsy ampy hifamezivezen’ny fiara sy hifanena ny tetezana iray. Miasa ara-dalàna tokoa ny polisy mandrindra ny fifamoivoizana amin’io alina io nefa tsy afa manoatra afa-tsy ny fampifandimbiasana ireo zotran-dalana samihafa izy ireo.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT