Robimanana Orlando, DG Trésor

> Nirarakopana ny ampamoaka nataony


  • Zoma 08 Novambra 2013

Tsy nitsitsy mihitsy ! Mavaivay ny fanakianana nataon’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana ny fitantanana gaboraraka ataon’ny Ministera sy andrim-panjakana samihafa. Tsy nanana ary tsy manana politika fampandrosoana ny Fanjakana fa manao fahazaran-dratsy ny fandraisana fepetra manokana lava izao.

Nasiany resaka manokana ny fanokafana “compte de dépôts” izay voafetra ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana raha ny lalàna, hoy i Orlando Robimanana. Nahatratra 1.890 be izao anefa ny “compte de dépôts” nisokatra nandritra ny tetezamita. 45 hatramin’ny 55 miliara Ariary anefa ny vola mipetraka amin’ny kaonty iray. Tsy afaka manaramaso ny fampiasana ny vola anatin’io kaonty io akory anefa ity farany. Soa fa voasakana ny fanokafana vaovao taty aoriana. Nitombo avo 3 heny koa ny fampiasana ny taratasin-tsolika nandritra ny tetezamita izay tafakatra 80 miliara Ariary isam-bolana nefa isika anaty krizy raha 28 miliara Ariary isam-bolana izany tamin’ny 2008. Rehefa natao ny kajikajy dia ahazoana sambo mpanaramaso ny sisintany miisa 100 ny vola lany amin’ny fandaniam-poana amin’ity resaka iray ity. Efa nahavitana lalana migodana na “autoroute” mahatratra 550 km koa ny vola sasany raha nampiasaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa. Momba ilay resaka taratasin-tsolika teo dia isaina sisa ny fotoana ampiasana azy satria an-dalam-pametrahana ny karatra elektronika ny Tahirimbolam-panjakana. Ampamoaka nataon’i Orlando Robimanana koa ny kiantranoantrano amin’ny tolobaro-panjakana ataon’ireo ORDSEC satria saika olom-patany na fianakaviana hatrany no mahazo ireo tsena amin’ireny tolobidy ireny. Tsy vitan’izay fa midangana avo 200 hatramin’ny 1000% heny raha oharina amin’ny vidiny eny an-tsena ny sandan’ny entana amin’ireny tolobidy ireny izay maneho ny fisian’ny fanararaotana sy firaisana tsikombakomba. Navoitrany teo anatrehan’ireo mpandraharaha omaly koa ny fisian’ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ho an’ny sehatra tsy miankina izay mahatratra 75 hatramin’ny 100 tapitrisa Ariary isan-taona. Kiantranonatrano avokoa no anaovana izany rehetra izany ary na ireo filohan’ny vondrona mpandraharaha aza tsy mahalala izay mahazo izany tombontsoa manokana izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT