Nandriaka indray ny ra omaly antoandro tany Toliara, tokony ho tamin’ny 11 ora. Miaramila iray 46 taona mitondra ny grady «Sergent» no maty tsy tra-drano nitifi-tena tao amin’ny toeram-piasany, Rezimanta Miaramila faha-5.
Raha ny fanazavana azo dia bala efatra no niditra teo amin’ny tendany ary nivoaka tamin’ny lohany, ka nitarika ny fahafatesany. Io omaly io dia izy no lehiben’ny fiambenana (chef de poste) tao amin’ny RM5. Tsy hay izay niseho tampoka tao, fa ny feom-basy nipoaka mafibe no nanaitra ny miaramila rehetra tao andakazera sy ny mponina manodidina.
Tamin’ny fotoana nandalovanay teny amin’ny toby (11 ora sy 20 minitra) dia mbola nanao fanamiana miaramila ara-dalàna tsara ilay miaramila maty, saingy tsy teo aminy intsony ny kiraro baoty fitondran’ny tafika. Omaly ihany koa no nandrenesana nandritra ny angom-baovao, fa tsy dia salama saina loatra ity «Sergent» ity ary nisy fotoana efa nitsaboany tena, hoy ny lehibe. Ny mahagaga ary mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao dia ity : «nahoana no olona voalaza marary saina no mbola hampitondraina na hampitazomina basy ?». Raha ny loharanom-baovao dia nametraka taratasy namela hafatra nosoratany ho an’ny lehibeny sy ny fianakaviany ity miaramila nitifi-tena ity. Ny Zandary no misahana ny fanadihadiana, ka ho hita eo ny tena marina amin’ity raharaha ity. Omaly ihany dia efa nalain’ny havany ny razana, rehefa vita ny fombafomba ara-miaramila sy ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.