Rév. Satrobory

> Manohana ny hanaovana fampitahana voka-pifidianana


  • Sabotsy 28 Desambra 2013

Miverina eto amin’ny firenena indray ny zava-nisy tamin’ny taona 2002, hoy ny Rév. Andrianalijonh Ndriamanampy Satrobory, noho ny hambom-pon’ireo niatrika ny fifidianana farany teo izay samy nilaza fa nandresy.

Nanantena izahay AMF/3FM, hoy izy, fa mba hoe niaraka nody eto an-tanindrazana izy mirahalahy mianaka fototry ny krizy miseho eto Madagasikara rehefa samy nanome voninahitra farany ny fahafatesan’ny mpitaritolona Afrikanina Tatsimo Nelson Mandela tao Pretoria ka nandraisana ny lesona lehibe nataony teo amin’ny fanafoanana ny fanavakavahana sy ny fiatrehana ny fifamelana, saingy “indrisy diso fanantenana izahay fa ny savorovoro eto amin’ny firenena no mananontanona”. Vahaolana avy hatrany hitanay fa mety, hoy ny Rév. Satrobory, dia aoka hisy ny Mantasoa «bis» na “Mantasoa 2” izay nampilamina ny tamin’io taona io. Atao avy hatrany ny fampitahana ny vokatra rehetra azo ka samy miara-manisa ny vato amin’ny tompon’andraikitra ny kandidà mirahalahy sy ny mpiara-dia aminy. Manao antso avo amin’ny CENI-T sy CES izahay araka izany, hoy izy, mba hajanona miaraka amin’izany ny famoahana vokatra amin’ny haino aman-jery fa tsy mampitovy hevitra. Tsy misy afa-tsy io fampitahana miaraka ny vokatra io no lalana tsara hialana amin’ny gidragidra. Mbola matoky izahay fa manana ny traikefa amin’izany fandaminanana izany ny filohan’ny AMF/3FM, ity farany izay mirary faran’ny taona milamina sy taona vaovao sambatra ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT