Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanatsarana ny tanŕna sy ny fampanarahan-dalŕna ny mponina.
Tranompisakafoanana iray antsoina hoe « Restaurant Dunhuang » izay miorina etsy Analakely no nakaton’izy ireo vonjimaika omaly noho ny tsy fananany ny « permis de réparation » sy ny fikitihana ny arabe natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Omaly maraina tamin’ny 7 ora no tonga nanatanteraka ny asa teny an-toerana ireo delegasiona avy eo anivon’ny kaominina. Efa nomena ny taratasy fampandrenesana moa ity trano fisakafoanana ity talohan’ny nanatanterahana izao fanakatonana izao. Ankoatra izay dia trano iray fananan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra miorina eny Avaradoha, izay nonenan’ny tompon’andraikitra iray efa tsy am-perinasa intsony no voatery nakatona ihany koa omaly. Efa nandalo dingana maro ny raharaha ka nivoaka ny didy ary manana zo hitaky ny fananany ny kaominina satria tokony hifandimbiasana ny trano, raha araka ny fanazavana azo hatrany. Marihina moa fa talohan’izao fidinana ifotony izao dia efa nisy ny taratasy fampandrenesana (lettre de mise en demeure) nomena ireo voakasika. Nizotra tao anatin’ny filaminana ny asa, araka izany, natrehin’ny vadintany.
Pati
Légende : Ny trano fisakafoanana Dunhuang etsy Analakely vao nakatona omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.