Actualités

Resaka “maintien en activité” mpampianatra oniversite “Lalŕna efa misy ihany no ampiharina”, hoy ny minisitra Zafera


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011

Namoaka fanambarana manameloka ny fanafoanana ny “maintien en activité” an’ireo mpampianatra oniversite feno 60 taona ny sampana SECES nandritra ny fivoriana ny zoma lasa teo.

 Nambaran’izy ireo, raha tsiahivina, fa fanosihosena ny zo maha olona sy ny hasin’ny fampianarana ambony ny fikasan’ny FAT ka mampitandrina manoloana ny mety fampiharana izany izy ireo. Nilaza kosa anefa ny minisitry ny fampianarana ambony Rabesa Zafera Antoine fa ny “lalàna efa misy ihany no ampiharina ka tahotra sy ahiahy avokoa ny ankoatra izay”. Nambarany fa “tsy manova na inona na inona ny FAT fa manaraka ny lalàna teo aloha ihany”. “Dingana maro no arahana momba ny fahafahan’ny mpampinatra mpikaroka manohy miasa hatramin’ny faha-70 taona.

Manome ny heviny aloha ny “Collège des enseignants” rehefa manao fangatahana ilay mpampianatra, avy eo koa mbola manana ny heviny ny filohan’ny oniversite ary farany ny ministera izay manatanteraka fotsiny izay fanapahan-kevitra noraisin’ireo antanatohatra ireo”, araka ny fanazavan’ny minisitra. Fepetra takiana moa ny fahasalaman’ilay mpampianatra mangataka hanohy hiasa ankoatra ny fanamarinana fa tena miasa tokoa izy. Araka izany, nambaran-dRabesa Zafera Antoine fa tsy voatery hahazo valiny mahafa-po avokoa izay mangataka. Momba ny raharaha Barikadimy dia efa mianatra ny mpianatra fa “andiana mpianatra 10 nampian’ny mpanao tontakely avy any Morarano no namantsika ny varavarana tamin’ny herinandro lasa teo”. Nilamina ihany ny tolakandro rehefa nandray ny andraikiny ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana. Efa niverina ny ampitso ny fampianarana sy ny fiverenan’ny mpianatra eny amin’ny Cité Barikadimy.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT