Rekany Mahajoro

> Kandida depiote sahy mamaky ady amin’ny dahalo


  • Talata 10 Desambra 2013

«Mila olona tena tia tanindrazana ny firenentsika satria tsy matoky intsony ireo mpanao politika politisianina ny vahoaka tototry ny ronono an-tavy sy fampantenana poakaty nampahantra azy foana hatramin’izay, ka izany no antony nilatsahako hofidina solombavambahoaka aty amin’ny Distrikan’i Toliara II», hoy ny kandidà tsy miankina, Rekany Mahajoro, laharana fahadimy, amin’ny biletà tokana ny 20 desambra izao, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tany Toliara, omaly.

Ny tanjontsika, hoy izy, dia ny ady amin’ny fahantrana sy ny fahalovana rehetra ary ny tsy rariny. Nampananetana ny tenany fa hiady mafy ny tombontsoam-bahoka raha lany eo ary hamadika ho lalàna ny hetahetam-bahoaka izay efa ao anatin’ny fandaharan’asany ny ankamaroany. Nambarany fa ny tanora tsy an’asa eo an-tanàna ihany no lasa dahalo, ka haverina amin’ny hasiny ny asan’ny «quartier mobile» izay omena fiofanana manaraka ny toetr’andro. Hezahana ihany koa ny hametrahana tobina mpitandro filaminana amin’ireo Kaominina 23 mandrafitra an’ i Toliara II. Fitsaboana manatona vahoaka no tanjona, hoy izy ka mila sokafana daholo sy omena fampitaovana ireo tobim-pahasalamana nikatona. Averina amin’ny hasiny ny sekolim-panjakana ary tsy maintsy ampidirina an-tsekoly avokoa ny zaza dimy taona, ka hisy ny fampitaovana ireo Kaominina mba hahamora ny fahazoana kopia, hoy Rekany Mahajoro, namarana ny fanazavany. Izy dia manohana ny kandidà Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT