Razanadrakoto A. David no kandidan’ny Antoko Maitso ao Antananarivo Avaradrano. Laharam-pahamehany ny hikatsaka hatrany ny tombontsoan’ireo vahoaka madinika fa tsy ny azy na koa ny an’ny fianakaviany.
Tsy resaka fanamboaran-dalana na koa fanamboarana tata-drano araka ny filazan-dRazanadrakoto A. David no ilàna ny solombavambahoaka fa eo amin’ny famolavolana lalàna hoentina manasoa ny vahoaka nifidy azy. Satria tsy afaka hanana praograman’asa maty paika araka ireo fafy lainga ataon’ny kandida hafa etsy sy eroa ny depiote dia milaza ity kandidan’ny antoko Maitso ao Avaradrano ity fa hiezaka izy hitady fiaraha-miasa avy any ivelany mba ahafahana manamboatra ireo fotodrafitrasa mbola mahaory ny vahoaka ao amin’ny fari-piadidiany. Etsy andanin’izany dia hiezaka ihany koa izy hanolotra volavolan-dalàna mba hanamora ny famatsiam-bolan’ireo tantsaha izay mamaritra ny ampahany betsaka amin’ireo vahoaka ao Antananarivo Avaradrano. Mbola eo amin’io resaka volavolan-dalàna io ihany dia hamboarina amin’ny alalan’izany ny lalàna mifehy ny fananantany mba tsy ho ireo manambola sy mahitahita ihany no ahazo ny tany fa ireo vahoaka madinika. Fehiny dia vahoaka miara-miaina amin’ny besinimaro, mitovy fihariana sy fahoriana amin’ny mponina ny kandida ary heveriny fa fotoana izao tokony hanapahana mba tsy ho ireo mpampiasa vola be ihany no hofidiana fa ireo olona tena mahalala ny filàn’ny vahoaka.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.