Razakanirina Mahafaritsy

> Hita ny lesoka hisorohana ny hala-bato


  • Talata 19 Novambra 2013

Tanteraka sy tontosa soa aman-tsara ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany noho ny finiavan’ireo tompon’andraikitra mpikarakara sy ny fandraisan’anjaran’ireo olom-pirenena tonga nandatsa-bato, hoy Razakanirina Mahafaritsy anisan’ny komity mpanohana ny kandida Robinson Jean Louis.

Voaporofon’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny tamin’iny fifidianana iny ary nasehony tamin’ireo fianakaviambe iraisam-pirenena fa manana ny maha izy azy ary mahay maneho ny tena heviny amin’ny alalan’ny safidy malalaka izy. Diso tanteraka, araka izany, ilay fomba fijery izay niniana naparitaka nandritra ireny fotoana nanomanana ny fifidianana ireny fa hikorontana ny samy Malagasy. Ekena ihany koa fa tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fizotry ny fifidianana ary tompomarika voalohany amin’izany ny Ceni-T nefa misy andraikitry ny olom-pirenena feno taona ihany koa tao anatin’ireo lesoka niseho ireo dia ny fanampiana amin’ny fanamorana ny asan’ity Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ity, hoy ity tompon’andraikitra eo anivon’ny komity miara-dalana amin’ny kandidan’ny Avana ity. Mikasika ny voka-pifidianana azon’ny kandida Robinson Jean Louis tany amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalana indray dia tsy nisalasala Razakanirina Mahafaritsy nilaza fa tsy mitombina ilay hoe tsy nahazo vato mihitsy ny kandida tohanany tao anatin’ny birao fandatsaham-bato maherin’ny 20 ohatra izay tantanin’ireo Ben’ny tanàna iray antoko tamin’ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc. Midika izany fa ny nisy ny hala-bato saingy notanterahana tamin’ny fomba mihaja satria madio ny fitanana an-tsoratra.

Mba hialana amin’ny mety ho fiverenan’izany dia ilaina ny fananan’ireo kandida delege manerana ireo birao fandatsaham-bato rehetra misy izay miainga amin’ny fanisam-bato, mameno sy manamarina izay voasoratra ao anaty ireo fitanana an-tsoratra ary manatitra ny voka-pifidianana hatrany amin’ny SRMV. Niha tsara kosa ny fanomanana sy ny fomba fizotran’iny fifidianana tamin’ny 25 oktobra iny mihoatra amin’ireo efa notanterahan’ny firenena Malagasy teo aloha, hoy ity mpiara-dia amin’ny kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ity. Ny hany indro kely nandiso fanantenana ny maro fotsiny dia ny fahafantarana hoe nanampy tamin’ny fikarakarana sy fanomanana rehetra ny sehatra iraisam-pirenena nefa tsy dia hita soritra loatra ireo traikefa goavana nananan’izy ireo ho fanampiana antsika Malagasy.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT