Razafinome Justin

> Ma-Gasy, M’agace, ny fiverenana an-doharano


  • Zoma 08 Novambra 2013

Rehefa tsy hitahita nandritra ny folo taona teo ny mpanao sary hosodoko Razafinome Justin dia niverina nampiseho ny talentany indray eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy eny Antsahavola.

Tabilao miisa 23 no nentin’ity mpanakanto malagasy efa nilona ela tao anatin’ity sehatry ny hosodoko ity hanehoany ny maha zava-dehibe ny maha Malagasy ity. Tsy mifanalavitra amin’izay rahateo ny lohahevitra nofinidiny amin’izao fiverenany izao. «Ma-Gasy, M’agace, ny fiverenana an-doharano» izay mifono hevitra maro. Anisan’izany ny fiverenany amin’ity talenta efa niainany nandritra ny 37 taona ity. Eo ihany koa ny fampisehoany amin’ny alalan’ireo vokatra hosodoko ampirantiany ny tsara rehetra teo amin’ny fiarahamonina malagasy izay tokony hankafizin’ny taranaka faramandimby. Tsy latsa-danjan’izay ireo akora ampiasainy amin’ireo tabilao hita eny an-toerana izay misy vita amin’ny lamba tena vita malagasy izay maharitra 100 taona. Toraka izany ihany koa ireo akora tena malagasy ampiasainy amin’ny fandokoana izay niainga tamin’ny tany sy ravina ravinkazo. Mbola manaporofo izay fiverenana an-doharano izay ihany koa ny fikarohana ireo tahirin-tsary efa tena tranainy satria efa tany amin’ny taona 1890, izay nalaina natao modely amin’ireo tabilao hampirantiana ka haseho ny mpitsidika efa nanomboka ny 31 oktobra lasa teo ary hifarana ny 16 novambra hoa avy izao ireo. Anisan’ny mbola mampisongadina ny lohahevitra nofinidin’ny mpanakanto Razafinome Justin ihany koa ny fampihaingoany ireo tabilao ireo amin’ny alalan’ny fifehezany ny hainteny malagasy. Tena mampiavaka ny mpanao hosodoko moa ny fampiasana rano sy ny fampisehoana sary malefaka.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT