Ravelojaona Hariniaina Andry La Pie

> “Ny tombontsoam-bahoaka no mibaiko anay”


  • Zoma 29 Novambra 2013

Andriamatoa Ravelojaona Hariniaina Andry na i Andry La Pie araka ny fahafantaran’ny maro azy dia raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona, manambady sy manan-janaka telo. Voataiza hatramin’ny fahakely teny amin’ny faritra iva izy. Mpanabe sady talen’ny sekoly Lycée La Pie eo Manarintsoa Isotry. Sady injeniera izy no olon’ny fanatanjahantena mikarakara tanora. Ankehitriny kandidŕ solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany I. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy amin’izao fanombohan’ny fampielezan-kevitra izao.

Tia Tanindrazana (T.T) : Ny antony nanapahanao hevitra hirotsaka hofidiana ho depiote ?
Ravelojaona Andry La Pie (R.A.L.P) : Tsoriko fa tsy mba nieritreritra ny hanao politika ny tenako fa mahita ny vahoaka mahantra tsy misy mpijery dia tapa-kevitra aho voalohany indrindra ny hanampy azy, hampanjary ho lalàna ny fitsinjovana manokana ny sosialiny. Faharoa, be dia be ireo mpanao politika nanatona ahy nitady fiaraha-miasa amin’ny firotsahana ho kandidà depiote ka nahatsapako fa tena ilain’ny olona aho izany ka nahoana moa, hoy aho, raha mirotsaka mihitsy amin’izany fifidianana izany ny tena ? Dia izay ! Ary fahatelo nandrisika ahy koa ireo havana aman-tsakaiza amin’ny tokony hirotsahako hofidiana ka tapa-kevitra aho ny hijoro ho mpanelanelana eo amin’ny fitondrana sy ny fiarahamonina.

T.T : Ka tsy hanao asam-piarahamonina anie izany depiote izany fa ho olona mpamolavola lalàna ê ?
R.A.L.P : Ilay lalàna fiarovana ny vahoaka no tsy misy ka tsy maintsy atao izay hahazoana manampy azy dia tsy avela fa hotohizana koa ny fanampiana azy fa efa tato amintsika hatramin’izay ny fanampiana ny mpiara-belona.

T.T : Izany ve dia ampy ho fandaharan’asa handresenao lahatra ny mpifidy ao amin’ny Boriborintany voalohany maha kandidà anao ?
R.A.L.P : Ny sosialy, fitsaboana, fampianarana ary fanatanjahantena no ho vaindohan-draharahantsika amin’izay fandaharan’asa novolavolaina izay. Hiady lalàna isika hampanjary ny andavanandron’ny mponina ka hiady mandrakariva izay mety ho tombontsoam-bahoaka ary ho Aron’ny vahoaka tokoa araka ny teny filamatra voizina. Hiady lalàna hampanjariana ny fotodrafitrasa isam-paritra sady hahazoan’ny mponina sahirana asa maharitra sy mahavelona. Hiady lalàna isika hisian’ny fandriampahalemana isam-paritra ka hananan’ny tanora asa mivantana ihany koa. Hiady lalàna isika mba tsy handoavam-bola ny fitsaboana eny amin’ny hopitalim-panjakana ho an’ny sahirana tsy manana orinasa mpiantoka, mba tsy hisian’ny tataon-ketra alaina amin’ny fanafarana fanafody. Hiady lalàna isika mba tsy hisy sarany na Ariary aza ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana, ny mba hiverenan’ny “kit scolaire”, ny hampivelarana ny sekoly fianarana asa hahazoan’ny ankizy miasa sy mandray vola sahaza azy. Hiady lalàna isika ho fitsinjovana ny hoavin’ireo mpanao fanatanjahantena sy mpitantana ary mpanazatra klioba, hiady lalàna isika ny hisian’ny tobim-panofanana fanatanjahantena manaraka tovotao iraisam-pirenena sy ny mba hananan’ny isam-paritra “Complexe sportif”.

T.T : Malaza eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza fa mpanangan-tanana fotsiny no hain’ny mpanao lalàna Malagasy, ho toy izany koa ve ianao atsy ho atsy ?
R.A.L.P : Amiko, raha zavatra hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka dia ho mpanangan-tanana tokoa ny tenako fa raha tsy izany kosa dia anisan’ny handà hatramin’ny farany aho. Matetika ny mahatonga ireny trangan-javatra hatrizay ireny dia noho ny olom-boafidy mpanao politika be loatra ka tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fiarovana ny tombontsoan’izany antoko politikany izay aloha, fa ho antsika ny tombontsoam-bahoaka no mibaiko dia izay hatrany no himasoana ka hisoloana vava azy.

T.T : 32 ianareo no mpifaninana ao amin’ity Boriborintany ity, iza no atahoran’ny laharana faha-15 ?
R.A.L.P : Vodilaharana hianteheran’ny ekipa iray manontolo ny laharana faha-15 amin’ny taranja rugby fiangalian’ny ety an-tanàna ambany, tsy misy tokony hatahorany izany rehefa miaraka amin’ny vahoaka izy. Fa aoka hadio tanteraka ny fifaninanana, samy Malagasy ka tokony hifanaja, tsy hifanebaka an-toerana fa samy hiady fo mafy amin’izay hahatongavan’ny baolina entin-tanana. Matoky ny tenako fa izahay io ekipa handresy sy hibata ny amboara io.

T.T : Hangotraka sy hafotaka izany ny fampielezan-kevitrareo ?
R.A.L.P : Isika dia voataiza amin’ny finoana Kristianina ary anisan’ireo mpiandraiki-draharaha any am-piangonana ka ankinina amin’Andriamanitra lalandava ny atao rehetra ary mino sy matoky isika fa izy koa no hanendry ny mpanompony ho eo amin’ny toerany efa nomaniny ho azy, ka ny zoma 29 novambra andro hanokafana ny fampielezan-kevitra dia hiaraka hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra Nahary miaraka amin’ny vahoaka eny amin’ny kianja Hery Rafalimanana etsy Ambodin’Isotry isika amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana hatao.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT