Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Atoa Ravahimanana Guillaume. Solombavambahoakan’i Madagasikara vao voafidy farany teo tany Miarinarivo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izy. Ny resaka fampandrosoana ny Faritra niaviany sy i Madagasikara manontolo ary ny hoavin’ity firenena ity amin’ny ankapobeny no nibahana tamin’ny firesadresahana voalohany taminy taorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana.
Tia Tanindrazana (T.T) : Arahabaina ianao tonga eo amin’izao toerana izao Atoa solombavambahoaka, ny fihetseham-po ?
Ravahimanana Guillaume (R.G) : Miarahaba anareo ato amin’ny Tia Tanindrazana koa sady miarahaba antsika mianakavy nahatratra ny taona vaovao satria izao vao tafaresaka. Ny tenako aloha, tahaka an’ireo voafidy rehetra dia faly ary misaotra manokana ny vahoakan’i Miarinarivo nametraka ny fitokisana amiko. Manome toky aho fa na vao sambany aza no hiandraikitra an’izany asana solombavambahoaka izany dia tsy hanao izay haharesy tondromaso anareo rehetra.
(T.T) : Mbola hitsapatsapa sa efa mahafantatara hoe aiza no lalan-kaleha ?
(R.G) : Ny tsapatsapa angamba tsy azo atao, ny antony dia tsotra fotsiny : 5 taona nijaliana sy nihafiana ny vahoaka ka fanapahan-kevitra hanarenana sy hampandrosoana an’i Madagasikara indrindra ny faritra Miarinarivo izao no himasoana. Efa nifanerasera an-taonany maro tamin’ny vahoaka rahateo ny tena ka mahita ny mahazo azy, ny fahasahiranany sy ny olana mianjady aminy ary ny zavatra andrasany.
(T.T) : Hanao ahoana izay fijerena ny vahoaka manoloana ny fandraisana baiko sy toromariky ny ankolafy nanolotra anareo ?
(R.G) : Ny toromarika dia efa nipetraka hatrany am-boalohany dia ny fanarenana an’i Madagasikara ary ny movansy Ravalomanana misy ny tenako dia efa iaraha-mahalala ny traikefa hananany amin’izany.
(T.T) : Tsy maro an’isa anefa ianareo ao anatin’ny Antenimiera ity ka tsy ho difotry ny tsangan-tanana fotsiny ve ny hevitrareo ?
(R.G) : Tsy ny isa no miteny fa ny foto-pisainana hoenti-miasa no heverina fa hahasoa sy hanao izay hahatsarana ny fanarenana ny firenena. Tsy misy afa-tsy izay hahasoa an’i Madagasikara ihany aloha no ao an-tsaina izao.
(T.T) : Resaka fandriampahalemana, inona no paikady entinareo fa anisan’ny mafampana ihany any Miarinarivo any ?
(R.G) : Zava-dehibe tokoa ity fandriampahalemana ity izay mampalahelo tokoa any aminay any ka vonona ny hiara-kiasa amin’ny rafitra fitondram-panjakana mahefa rehetra izahay hampanjariana ny tetika matipaika hampandriana fahalemana ny tany.
T.T : Hanao ahoana ny fiarahana amin’ireo namadika palitao raha misy manam-pikasana ny hiverina am-bala ?
(R.G) : Ny fanarenana an’i Madagasikara no tanjona, ny fiarahana izany dia ilaina. Ny ankolafy Ravalomanana dia iray ka izay nania raha maniry ny hiverina am-bala tsy ranon’Ikopa akory izahay ka ho tonga namana vao mihamavo.
T.T : Mba fantatr’i Miarinarivo ve izany mpitolon’ny Magro izany ?
(R.G) : Ny tenako manokana dia misaotra ny mpitolona ao amin’ny Magro fa nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo nahatongavana amin’izao misy antsika izao. Mahafantatra tsara ny fisianareo ny any Miarinarivo satria izahay mpitarika dia tsy nitsahatra nanao tatitra tamin’ny vahoaka tany amin’ny zava-misy ao amin’izany kianja manan-tantara izany. Mitohy ny tolona ka manohana izahay fa mbola mitaky ny famerenana an’i Dada isika, ny famoahana ny gadra politika manginy fotsiny sy ny famohana ireo haino aman-jery nakatona rehetra.
T.T : Farany, tena matoky ny hivoahan’i Madagasikara amin’izao toerana misy azy izao ve ianao ?
(R.G) : Tsy maintsy matoky ary tsy maintsy manana izay fanantenana izay fa ny miverin-dalana tsy azo atao ka izaho manokana dia hitondra ny anjara birikiko amin’izay tandrify ahy.
Nangonin’ i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.